Загрузка страницы

fakitera LEVELO (lyrics)

TONONKIRA

Tsy hitako nandalo intsony izy e!
Bozaka maina an-davenona ô
Aloka matahotr’andro sisa e
Fa maty any ho any a lay fakiteranay e!

Dia foana sy nangina tsisy tabataba tetsy am-bavahady e!
Mpitsena lasa nody a!
Mpizara taratasy ambony sikileta fakitera maty a!


Ireo voromanga nanatona ny ala
F’izy kosa lasa any ankoatra paradisa e!
Ambany dongotany varavaram-bato asiana voninkazo a!

Fakitera nandimby fakitera
Nizara taratasy ihany
Fa saingy ferapara!

Lasa tsy hanao ombay làlana izy e!
Dify tsy hamangy tanàna ô
Doroky ny ankason-tany izy e
Tandindona sisa raha toa ka mandalo a!

Fa folaka an-dantony efatra ambi-telo fakiteranay
Nangina nangina
Nangina tsy niteny fa ambiroa no maty feon’avelo tsisy a!

Fa tanam-bokovoko vazy tanimanga marika najoro
Fa nisy fakitera teto
Sakaizan’ireo tary sy mpifankatia nisara-toerana ela

Nofo moa k’hisy fiafarany e
Hody vovoka ho tany
Raha tonga ny fotoana

Видео fakitera LEVELO (lyrics) канала randralyy
Показать
Комментарии отсутствуют
Введите заголовок:

Введите адрес ссылки:

Введите адрес видео с YouTube:

Зарегистрируйтесь или войдите с
Информация о видео
25 сентября 2017 г. 4:36:12
00:05:49
Яндекс.Метрика